Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Actus de la pêche

Faritra Fitovinany, Atsimo Atsinanana : Fanazavana ny olana mahakasika ny orantsimba

➡️ Manoloana ny fitarainan’ny mponina indrindra fa ny mpanjono sy ny mpivarotra orantsimba na « langouste » amin’iny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana iny nohon’ny fitobahan’ny vokatra sy tsy fisian’ny mpividy ka mampitotongana ny vidiny dia manome izao fanazavana izao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga :

?Ny fahabetsahan’ny vokatra dia nohon’ny fanarahan-dalàna misy amin’ny fanajana ny lalàna fanakatonana ny Jono orantsimba isan-taona ka raha 1kg hatramin’ny 5kg ny vokatra azon’ny mpanjono iray isaky ny mandeha taloha dia ankehitriny tafiakatra 5kg hatramin’ny 20kg izany.

?Ny olana nefa amin’izao dia misy maka hatramin’ny orantsimba madinika izay raran’ny lalàna satria ny didim-panjakana laharana faha : 62-213 dia manambara fa ny orantsimba izay mirefy 20cm farany ambany no azo alaina sy amidy ka raisin’ireo orinasa lehibe 15000 Ariary hatramin’ny 20000 Ariary ny kg. Sarotra noho izany ny hanery azy ireo hividy oratsimba madinika izay manana ny refy 11cm na 12cm amin’io vidiny io no sady tsy azo haondrana ary voararan’ny lalàna manankery ka mampidina ny vidiny ihany koa.

?Manoloana izany indrindra dia tsy maharaka ny trano fitehirizan’ireo orinasa mpanangom-bokatra izay misehatra any an-toerana ka voatery ferana ireo vokatra azon’izy ireo jifaina.

? Manoloana ny zava-misy dia nanapa-kevitra Atoa Ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy fa hanatanteraka fidinana ifotony tsy ho ela hijerena akaiky ity olana ity any an-toerana ary hamory ireo mpiantsehatra rehetra hitady miaraka ireo vahaolana hanatsarana ity seha-pihariana ity.